Aller au contenu

Romaniana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny Diaspôra romaniana eto amin' izao tontolo izao

Ny Romaniana dia vondrom-poko miteny rômana ary teratanin' ny firenena any Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana ary Eorôpa Atsimo Atsinanana. Mitovy kolontsaina sy razambe izy ireo, ka miteny amin' ny fiteny romaniana ary monina indrindra any Romania sy Môldavia. Araka ny fanisam-bahoaka romaniana tamin' ny taona 2021 dia 89,3 % amin' ny olom-pirenen' i Romania no milaza ny tenany ho anisan' ny foko romaniana. Amin' ny fiteny romaniana izy ireo dia atao hoe Români, vakina hoe [roˈmɨnʲ].

Tamin' ny fanisam-bahoakan' ny taona 1989 tany Môldavia, ny ankamaroan' ny Môldaviana dia voaisa ho anisan' ny foko romaniana ihany koa. Ny Romaniana koa dia mahaforona foko vitsy anisa any amin' ny firenena maro eo akaikin' i Romania, any Eorôpa Afovoany, any Eorôpa Atsimo Atsinanana ary any Eorôpa Atsinanana, indrindra fa any Hôngria sy any Serbia (anisan' izany i Timok), ary any Okraina.

Ny fanombanana ny isan' ny Romaniana maneran-tany dia miovaova eo anelanelan' ny 24 sy 30 tapitrisa, arakaraka ny famaritana ny teny hoe "Romaniana" izay ahitana teratany avy any Romania sy Môldavia, ny zanaka ampielezan' izy ireo tsirairay avy, ary ny teratany amin' ny fiteny romaniana sy amin' ny fiteny rômana tatsinanana hafa. Ny mpiteny hafa amin' ireo fiteny notanisaina farany ireo dia ny Aromaniana sy ny Meglenô-Romaniana ary ny Istrô-Rômaniana (teratany avy any Istria), izy rehetra ireo dia mitsinjara tsy mitovy manerana ny Saikanosy Balkana, izay azo heverina ho zana-bondrona romaniana na foko misaraka nefa mifandray.