Aller au contenu

Bolgariana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra onenan' ny zanaka am-pielezana bolgariana

Ny Bolgariana na Bolgara dia vahoakan' i Bolgaria na vondrom-poko slava tatsimo teratany any Bolgaria sy ny faritra manodidina azy. Izy ireo no vahoaka maro anisa ao Bolgaria, fa vitsy anisa kosa any Makedônia Avaratra, any Okraina, any Môldavia, any Serbia, any Romania, any Hôngria, any Albania, any Torkia ary any Grisia izy ireo amin' ny maha vondrom-piarahamonina ara-tantara azy. Amin' ny teny bolgariana izy ireo dia atao hoe българи / bŭlgari.

Tamin' ny fanisam-bahoakan' ny taona 2011, eo amin' ny olom-pirenena bolgariana dia 77 % no mihevitra ny tenany ho anisan' ny vondrom-poko bolgariana, raha ny 23 % kosa no ao amin' ny vahoaka vitsy anisa Pômàka, Valàka, Torkika, Tatara, Gagaoza sy Tsigàna.

Olana iray iadian-kevitra ny mety hampidirina na tsia ny Makedôniana slava ho anisan' ny Bolgariana. Ny Repoblikan' ny Iogôslavia teo aloha tany Makedônia Avaratra dia nilaza fa mifanakaiky ireo vahoaka roa ireo nefa samy hafa, ary ny Makedôniana slava dia monina ao amin' ity firenena ity sy ny faritra bolgarianan' i Makedônia ara-tantara (ôblastan' i Blagoevgrad). Ny manam-pahefana ao Bolgaria dia milaza fa anisan' ny Bolgariana ny Makedôniana slava, saingy mipetraka any amin' ny firenena roa samy hafa izay mifankahalala (toa an' i Alemaina sy i Aotrisy).